Ny Valam-pitahirizana Manokan' i BEZA MAHAFALY sy ny manodidina azy 

VINAVINA HOAN'NY FOTO-DRAFITR'ASA FANANGANANA SY FAMETRAHANATOERAM-PITSABOINA BIBY MITETY FARITRA ho fanaraha-maso araka ny tokony ho izy ireo vondrom-piainan'ny biby toy ny alika sy ny saka mirenireny.

  Atrik'asa sy fidinana ifotony amin'ny volana 2010

 

 

 

Beza_map

  

ANDININDININ'NY FOTO-DRAFITR'ASA

Fototr' olana :
Araka ny fikarohana vao tsy ela izay mikasika ny fototra ara-tsiantifika ny Valam-pitahirizana Manokan' i Beza Mahafaly (na koa amin'ny teny anglisy hoe: BEZA MAHAFALY SPECIAL RESERVE  BMSR), ny vondrom-piainan' ireo biby toy ny alika sy ny saka mirenireny na koa dia, ireo biby tsy voahara-maso ny fisiany sy ny fiaim-piainany , dia miteraka voka-dratsy ary matetika mampidi- doza sy mahafaty ireo biby voasokajy ho dia ary arovana ao Beza , indrindra ireo ragidro.

Ireo voasokajin'ny UICN Extraits ho lisitra mena:
Ny MAKI sy ny SIFAKA VERREAUXI

Ny soso-kevitra avy aty aminay:
Fanatanterahana sy fandraiketana asa fidinana eny ifototry ny olana ny volana Jiona sy Jolay 2009, mba hamariparitana sy hanasongadinana ny maha zava-dehibe tsy azo hiodivirana ny fanaganana io toeram- pitsaboina biby mitety faritra io manodidina an' i Beza , mifototra indrindra amin'ny fototr' asan' ireo mpitsabo biby izay mikajy ny fahasalaman'ny biby, mifantoka indrindra amin'ny fanarahamaso manokana ny vondrom-piainan' ireo alika sy saka mirenireny , hanatanterahana lamin'asa fanadiovana sy fisorohana ireo trangan'arentina mpiseho.  

Ny mpandray anjara:
Hiara miasa akaiky izahay miaraka amin'ny Sehatra Vondron' asan'ny Rano sy n Ala ao amin'ny Sekoly Ambonin'ny Siansa Agronomika ao amin'ny Oniversitean' Antananarivo (ESSA),ny Fikambanam-pirenena hoan'ny fitantanana sy fiarovana ireo valan-javaboahari'ny Madagasikara (ANGAP), ireo mpitsabo biby malagasy ary ireo mponina ao Mahafaly, ary eo am-pikarohana fifanarahana amin' ireo mpandray anjara tsirairay ireo.

Ireo mpiray ombon' antka ifotony :
Ny ambangovangony ho amin'ny manaraka.

Tanjon'ny fitsidihana : 
1. Fitadiavana fifanarahana miaraka amin' ireo mpandray anjara tsirairay avy ahafahana mandrafitra lamin' asam- pitantanana hoan' ireo biby toy ny alika sy ny saka mirenireny.

2. Mivondrona miaraka amin' ireo mpitsabo biby any an-toerana ho fanatanterahana io lamin' asa voafaritra io .

Tatitra:
Hotaterina amin'ny ambangovangony eo anivon'ireo mpandray anjara tsirairay avy ny dingana rehetra.

Firaisan-kina sy fiaraha-miasa :
Raisinay ho fifaliana ny fanatanterahana sy fanomezana fiofanana ara-potoana araka ny tinadin'ireo mpitsabo biby malagasy sy ireo mpiara-miasa aminy. 

Famatsiam-bola:
Ny PAW Madagascar (Project of Animal Welfare) na ny Fotodrafitr 'asa hoan'ny fahasalaman' ny biby eto Madagasikara, dia eo ampitadiavana ireo mpanohana sy ireo malàlan-tanana ho fanatontosana io fitsidihana io raha toa ka maniry ny hanampy sy hanohana izany ianao, azonao atao ny miantsi sy mifandray mivantana ny Dokotera Julie Mackenzie na Ramatoa Romy Shiffer na Andriamatoa Georges Mackenzie raha mila fanampim- panazavana ianao.

 



AMBANGOVANGON4NY FOTODRAFITR' ASA

Ny olana ateraky ny fisian'nireo alika sy saka mirenireny amin'ireo vondrom-piainan'ny biby dia voasokajy ho arovana ao amin'ny valam-pitahirizana manokan' i Beza Mahafaly (BMSR).

An-taonany maro, ny valam-pitahirizana manokan' i Beza Mahafaly (BMSR) no nitana andraikitra lehibe ho toy ny tobim-pikarohana mifantoka amin'ny fiainan'ireo biby voasokajy ho dia sy arovana eo anivon'iny faritra iny.

Ny Sampam- pianarana Antropolojia ny Oniversitean'i Colorado any Boulder, izay tarihin'ny Dokotera Michelle Sauther , dia nanokatra fikarohana nanomboka ny taona 1987. Tontosa tamin' izany ny fandinihina ny voka-pisian'ireo alika sy saka mirenireny teo amin' ireo ragidro ary ireo biby hafa ihany koa. Napetraka araka izany ny firaiketana ara-potoana mikasika ny anton'ny fahafatesan' ireo ragidro. Tamin'ny taona 2008, nirakitra ny fitsidihana sy fidiran'ireo alika amin'ny alina ny oronan-tsary iray napetraka . Ny tsoan-kevitra voamarika tamin' izany dia: ireo alika sy saka mirenireny miaina ivelany na anatin' ny valam-pitahirizana izay mihàza dia isan' ny fototry ny olana ho an'ny fiarovana ireo vondrom-piainan'ny biby arovana ao Beza. Ireto sary manaraka ireto dia azo tao Beza.

 

Journal Article

 

 

Error! Filename not specified.

Evidence of Invasive Felis silvestris Predation on Propithecus verreauxi at Beza Mahafaly Special Reserve, Madagascar

Journal

International Journal of Primatology

Publisher

Springer Netherlands

ISSN

0164-0291 (Print) 1573-8604 (Online)

Issue

Volume 29, Number 1 / February, 2008

DOI

10.1007/s10764-007-9145-5

Pages

135-152

Subject Collection

Biomedical and Life Sciences

SpringerLink Date

Friday, February 15, 2008

Link to Article

 

Photo de chien prise par une caméra camouflée dans la réserve 


Beza dog in camera

 

 

Lisitra mena ny UICN Extraits:

Maki - reniny sy zanany(vavy)

 
Mother and daughter ringtail

 Anarany: Anglisy - Ring-tailed Lemur

               Frantsay - Lemur Catta, Maki Catta

Lisitra mena ny sokajy sy ny fepetra: Manakaiky ny hatahorana ho lany tamingana

Taom-pamaritana: 2008

porofo:

Voasokajy ho manakaiky ny hatahorana ho lany tamingana , satria vinavinaina fa nohena 20-25isan-jato ity karazany iray ity tao anatin'ny 24taona lasa (raha vinavinaina ho 8taona ny faharetan'ny andiam-piainan'ny vondrona iray), vokatry ny fihenan'ny velarana sy ny toeram-ponenanyeo amin'ny karazany fantatra ary koa eo anivon'ny fanararaotana fantatra fa mihatra amin' izy ireo. Mila ho voasokajy ho hatahorana ho lany tamingana araka ny fepetra A2cd.

Fivoaran'ny vondron-karazany: andalam-pihenana

Toeram-ponenena sy ekolojia

Miaina amin'ny karazana toeram-ponenanasamihafa any amin'ny tapany fahatelo atsimon'i Madagsikara ity karazany ity, isan' izany ny alan-tsilo, ny ala anivon-demaka , ny toerana maina rakotra bozaka ,ny ala maina mihitsan-dravina , ny horonambato ary marin-tany avo anatiny. Ankoatry izay ,amin'ny toerana isan'ny avo izay itoerany ao Andingitra, ity karazany ity dia hita amin'ny faritra ambonin'ny faritry ny ala, ary koa amin'ny faritra ivelaram-bato avo dia avo mahatratra hatrany amin'ny 400 metatra , didinin'nyalam-bozaka ampototry ny oronam-bato. Miaina anivon'ny toe-tany tena samihafa ity karazany ity, miainga avy amin'ny toe-tany tena mafana sady maina hatramin'ny mangatsiaka indrindra (ny tangorom- baton 'Andringitra). Ny foto-tsakafony indray dia maro karazany , ary tsy voafetran'ny loharano misy eo an-toerana (Goodman sy al.2006). Ny maki no ragidro nanaovana fikarohana maro indrindra any Madagasikara , ny toe-batany sy ny toe-ponenany dia isan'ny voafaritra sy voafehy faraparany izay notanterahin' i Jolly (2003) sy Mittermeier sy al. (2008)

 

Lisitra mena ny UICN Extrait:

 Sifaka verreauxi

 Problem sifaka

Anarany: Anglisy - Verreaux's Sifaka

                       Frantsay - Propithèque De Verreaux

Lisitra mena ny sokajy sy ny fepetra: Saro-pady ary mampanahy

Taonam-pamariparitana: 2008

Porofo:

Voasokajy ho karazany saro-pady ary mampanahy ny hahalany tamingana azy noho ny fihenan'ny isan' izy ireo nihoatry ny 30 isan-jato nandriatry ny 30 taona lasa izay (raha vinavinaina ho 10 taona ny faharetan'ny andiam-piainan'ny vondrona iray), noho ny fihenan'ny velaransy ny toeram-ponenanyeo anivon'ny karazany fantatra ary koa fanararaotana fantatra fa mihatra amin' izy ireo.

Fivoaran'ny vondron-karazany: andalam-pihenana

Toeram-ponenana sy ekolojia

Ragidro miaina sy mihetsika mandriatry ny andro , hita sy mivelona any amin'ny faritra tropikalymiaina eny amin'ny lemaka sy ireo ala ambony tendrombohitra , tsara ho fantatra ihany koa ireo ala-tsilo, ireo kirihitra ala vao miforonasy ireo ala amoron-drenirano,hita araka izany ihany koa izy ireo any amin'ny lemaka atsimo atsinana'ny nosy.Manana toetra miaina sy mivelona ao anaty vondrona kely hatramin'ny vitsivitsyna 22 hatramin'ny 14 isa izy ireo (dimy hatramin'ny enina mazàna) ka ny lahy no maro an 'isa amin' izany matetika, ary monina eo amin'ny velaran-tany mihoatry ny 10 hekitara.Ny fotoana fampitomboan 'izy ireo taraka dia mandriatry ny volana Janoary sy Febroary. Manomboka mana fahaleovantenany sifaka rehafa tonga eo amin'ny faha enim-bolana nahaterahany (Mittermeier sy al.2008, sy ohatra). Miankina amin'ny toeram-ponenana iainany matetika ny fahamatorana ara-pananahana. Ohatra amin' izany, ny sifaka miaina ao aminny ala-tsilon'i Beza , ny vavy amin' izy ireo dia manomboka mampitombo ny taranany alohan'ny faha enin-taonany (Richard sy al.2002) , raha toa ka hita mazàna ny vavy mahatratra ny faha telo taonany dia manomboka mampitombo ny tarananyamin'ny faritr'i Berenty (Jolly1966).

 

Ny soso-kevitray:

1.  Ny tomban' asa fanatanterahana ny volana Jolay 2009 dia hanana tanjona lehibe hiompana indrindra amin'ny fifanakalozan-kevitra sy fandresen-dahatra ireo afaka mandray anjara amin' ity foto-drafitr' asa ity araka izay tratra.

Minisiteran'ny Fanjakana Malagasy:

Ny ekipan'ny PAW dia hitondra sy hampahafantatra izao soso-kevitra izao eo anivon'ny sehatra vondron' asan'ny Rano sy ny Ala eo amin'ny Sekoly Ambony ny Siansa Agronomikaao amin' ny Oniverstean' Antananarivo (ESSA) sy ny ANGAP ary hitady ny fomba handrafetana ny drafi-panarahamaso ny toetry ny vondro-piainan'ny alika sy ny saka mirenireny.Ary hangataka amin'ny fahefana mahahefa any an-toerana ny fahafahana sy ny alalana rehetra ilaina ho fametrahana sy fanombohana ny fotodrafitr' asa.

Mpitsabo biby any an-toerana sy ireo mpandraharaha momba ny fahasalaman' ny biby.

Hanazava sy hamelabelatra ary hiady hevitra amin' izy ireo mba ahafahana mametraka ny drafitry ny fanarahamaso ny toetry ny vondrom-piainan'ny alika sy ny saka mirenireny.

Ny mponina Mahafaly manodidina ny valam-pitahirizana ao Beza.

Hidina any an-toeranaary hikarakara fifampiresahana sy ady hevitra eo anivon'ireo vahoaka monina manodidina an 'i Beza Mahafaly mba ahafantarana sy ahazahoana ny hevitra sy ny fandraisan' izy ireo ny tetik' asa , ny tombontsoa sy ny fanentanana ara-kolotoraly ho azony manoloana ny fampidirana ny toeram-pitsaboina biby mitety faritra. Ary hitady marimaritra hoan' ny drafitra fanarahamaso ny vondrom-piainan'ny alika sy ny saka mirenireny

 

2. Ny fepetra mifanaraka amin'ireo toerana iasan'ny toeram-pitsaboina mitety faritra

Hitrandraka sy hamakafaka izay hevitra rehetra ilaina ary haminavina ireo mba ahafantarana ireo toe-toetra izay tena mifanaraka.

A. Ny Jeografia sy ny karazana toetry ny tany eo amin'ny faritra.

B. Vinavina ny olona mpiara miasailaina. Ny fahafahan'ny olona hofanina any an-toerana sy ireo mpirotsaka antsitra-po.

C. Ny fanisana sy ny tomban' isan'ireo alika sy saka tsy mana-tompo...

D. Vinavina ny tomban' isan 'ireo alika sy saka tsy manan-tompo mba hametrahana ny drafitr' asa fisamborana, fitsabona ary famerenana azy ireny indray eny amin'ny fiarahamonina (CSRL)

 

3. Vinavina ny teti-bola hametrahana ilay toeram-pitasaboina biby mitety faritra ary ny teti-bola mandavan-taona mandritry fotoam-piasany.

Hanao izay hampifanaraka raha ilaina ny vinavina ny teti-bola amin'ny tombontsoa nofariparitana..

 

4. Fanandramana sy fanombohana _ karazam-pifandraisana maro eo anivo'ny mponina sy ny mpitsabo biby matianina iray.

Fanatanterahana asa fitsabona biby(tsy atahorana hirongatra) hoan' ireo biby ompian' ny mponina.Mety ho fitsbona ireo biby vaventy, ny akoho amam-borona ets ets...

 

5. Famariparitana ny zava-misy tamin'ny tranga niseho tamin'ny valam-pitahirizana teo amin'ny faritr'i Beza.

 
Mpanohana any an-toerana:

Animal SOS ao Antananarivo 

Foyer pour animaux ao Antananarivo

Tanjon'ny fitsidihana famariparitana:

Mba ahatrarana ny fifanekem-piarahamiasa eo amin'ireo mpiray ombon' antoka handrafetana ny drafi-pitantananaireo vondrom-piainan'ny alika sy ny saka mirenireny ireo . Hanantona sy hanontany ireo mpitsabo biby sy ireo mpandraharaha momba ny fahasalaman'ny biby any an-toerana ho fanatanterahana ny drafitra, ary mandray hatrany ny fanasongadinana ny filàna any an-toerana sy ny fanentanana ara-kolotoraly.

Tanjon'ny tetik' asa vinavinaina ho 10taona:

Firosoana amin' ny asa , fanarahamaso ary fijerevana akaiky ny fitantanana. Fanamafisana ny fandraisan' anjaran' ny olona any an-toerana, fametrahana lamina hanabeazana sy hampianarana ary hanamafisana ny traikefaany an-toerana mba hisian'ny fahaleovantena maharitra.

Hitondra fanampiana miorim-paka hoan'ny fiarovana ireo vondrom-piainan'ny biby ao Beza.

Hanatsara ny fomba fiainan'ny bibyany an-toerana sy ireo alika sy saka mirenireny.

Hanentana hoan'ny fahadiovan'ny bibyamin'ny alalan'ny fampandraisana andraikitra sy fampianarana ireo olona manana biby manara-tompo.

Hamehy ny trangan-javatra mitondra arentina (toy ny haromontana, izay mifindra avy amin'ny biby ho any amin'ny olona) hoan' ny mponina any an-toerana.
 

Tatitra:

Hisy tatitra amin'ny ambangovangony hotaterina ara-potoana ary apetraka any amin' ireo mpandray anjara tsirairay sy ireo tsara sitrapo malàla-tanana mikasika ny fitsidihina famariparitana, miaraka amin' izany ny ambangovangon'ny drafitra fampandehanana ny asa.
Fanampiana avy ifotony:

Hafaliana ho anay ny manolotra fanofanana araka ny tinady sy ny filan'ireo mpitsabo biby malagasy ary koa ireo mpiandraikitra momba ny fahasalaman'ny biby rehefa miantomboka ny tetik' asa.

Famatsiam-bola:

Maneho ny fisaorana hoan' ireo vonona hanolotra fanampiana atokana hoan' ilay fitsidihana famariparitana. Aza misalasala mifandray aminay.

Fifandraisana:

Projets pour la protection des animaux de Madagascar Incorporates
INC n ° 9890867
 CFN/21113

Web: www.pawmadagascar.org 
Skype: pawmadagascar

Australie Tel:  +61-2-9388-7506 
Courrier électronique:
george@pawmadagascar.org 
Mail : 91 New South Head Road, Vaucluse, NSW 2030, Australia

France Tel : 0033 6 20 89 09 83
Courrier électronique:
william@pawmadagascar.org